<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>C. Malan</author>
<hymn_number>234</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Mahery Hianao,
 Jehovah Tompo ô !
 Mombà anay mpanomponao,
 Ka miarova anay.

[V2]
 Mpanjaka Hianao,
 Ry Zanahary ô !
 Avia, anjakao izao
 Ny ao anatinay.

[V3]
 Miaro Hianao,
 Andriamanitra ô !
 Hidera sy hisaotra Anao
 No iangonanay.

[V4]
 Miantra Hianao,
 Ry Tompo tia ô !
 Tongava aminay izao
 Mba hifalianay.

[V5]
 Ny fanomezan-tsoa
 Izay maminay tokoa
 Dia Jeso 'lay malalanao
 Nafoy ho avotray.

[V6]
 Mba raisonao, ry Ray !
 Ny saotra entinay,
 Ny dera, laza, hery koa
 Anao Mpanjaka soa.</lyrics>
<title>Mahery Ianao FFPM234</title>
</song>